Hatao ny 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Fight Cage”. Ny mpikatroka avy any La Réunion no hifanandrina amin’ ny Malagasy. Ny Guerreros Team no mikarakara ny fifaninanana ary miara-misalahy amin’izy ireo amin’izany ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana sy ny Kaomisiona malagasin’ny Pancrace. Taranja 3 no hifaninana raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Guerreros Team no sady sekretera jeneralin’ny Federasiona malagasin’ ny JJB ihany koa, i Diallo Nicky Franck Mamitiana. Ny taranja Jiu-jitsu izay ahitana ady ho an’ny ekipa, ny Grappling izay hisy ady goavana iray ary ady miisa 10 kosa no hifaninanana eo amin’ny taranja Pancrace sy K1. Eo amin’izay taranja Pancrace izay, ny kaomisiona malagasin’ny Pancrace no nitily ireo mpikatroka mendrika hiatrika ity ady iraisam-pirenena “Fight Cage” ity. Ho an’ireo taranja 3 kosa (JJB, K1, grappling), voafetra ny mpandray anjara na dia maro aza no nangataka hiady, raha ny nohamafisin’ny SG Diallo Nicky hatrany. Ho an’ny taranja Jiu-Jitsu manokana, tafiditra tanteraka amin’ ny fanomanana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao amin’ity taona ity izao ady iraisam-pirenena izao, raha ny fanazavana. Mahakasika izay ady iraisam-pirenena izay, efa miatrika fampivondronana, amin’izao fotoana izao, ny mpikatroka mandrafitra ny ekipa nasionaly.
Mi.Raz