Lehilahy nalefa any am-ponja : zaza miisa fito nasesiny naolana

Telo taona ny zandriny indrindra amin’ireo zaza miisa fito naolan’ny lehilahy iray. Tratra tao Mahajanga ity farany ary notanana am-ponja.

Voasambotry ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny fitaleavam-paritra Boeny ny lehilahy iray nanolan-jazavavy miisa fito tao amin’ny fokontany Anta­namalandy, kaominina Ma­hajanga, ny 11 oktobra teo. Anisan’ny nananan’ny fianakaviana fahatokisana ity lehilahy ity ka nalefa natory tany aminy matetika ireo zaza. Tsy hafa rahateo, vinantolahin’ny ray aman-dreny lehibe ihany io lehilahy voalaza io. Nihevi-dratsy, nanamparan’io tsy mataho-tody io ny filan-dratsiny avokoa ireo zaza ireo rehefa alina. “Tampenany ny vavako. Tsy avelany miteny fa tereny hanamparana ny filan-dratsiny”, hoy ny nambaran’ny iray tamin’ireo zaza lasibatra.

Rahonany ho vonoina
Taorian’ny fanolanana ataon’io lehilahy io ireo zaza ireo, rahonany ho vonoina izay mikasa hitati-dresaka amin’ny olona ivelany. Tereny hiray aminy tsotr’izao ireo zazavavy zanaky ny havany ireo. Zanany vavy ny iray. “Roa tamin’izy ireo no tena naolany ary nanaovany fihe­tsika mamoafady ny ambiny”, hoy ny fanazavan’ny polisy misahana ny fanadihadiana. Tsy zakan’ireo zaza intsony ny herisetra nianjady taminy ka niteny tamin’ny ray aman-dreniny izy ireo. Nitoroka teny anivon’ny polisy ny ray aman-drenin’ireo zaza miisa fito ireo, ny alatsinainy 7 oktobra lasa teo. Nanao ny fanadihadiana ny polisy ka tratra izy. “Toetra mamohehitra tsy fampiseho masoandro no nihatra tamin’
ireo zazavavy ireo”, hoy ny fanazavan’ny polisy miasa ao an-toerana. Tsiahivina, iharan’ny sazy enjana, vosirina mihitsy aza, izay tratra manao habibiana tahaka ity lehilahy voasambotra tao Antana­malandy ity

Tsiferana R.

Partager sur: