Olan’ny rano : tafatsangana ny rafitra mpanara-maso

Taorian’ny fanambaran’ny filoham- pirenena, Rajoelina Andry, nijoro ny 9 oktobra teo ny rafitra manokana Vondrona fibaikona sy fanaraha-maso, hamaha ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina, amin’izao vanim-potoan’ny maintany izao. Hita ao anatiny ny avy amin’ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana (MEAH), ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra (MDNP), ny Serasera (MCC), ny Filaminana (MSP), ary ny minisitera voakasika mivantana na ankolaka, miaraka amin’ny sampana teknika sy ny arak’olona sy ara-pitaovana.
Tsiahivina fa eny amin’ny toby Mandroseza ihany ny toerana hakan’ny Jirama ny rano, efa vita fitiliana sy azo sotroina, taterina amin’ny fiarabe mameno ireo siniben-drano, miisa 150 eto Antananarivo. Ankoatra izany, ho hafainganina ny fanatanterahana ny tetikasa lehibe mahakasika ny famatsian-drano fisotro eto Antananarivo, toy ny «Tana Water III», ny «PAEEP», sns. Tanjona ny hampitomboana ny famokarana rano fisotro madio sy ny fanoloana ny fantson-drano efa tranainy, mba ho vahaolana maharitra amin’ny famatsian-drano.

Njaka A.

Partager sur: