«Star Tour» Toamasina : nahavory olona aman’alina

Fahombiazana efa nampoizina ihany. Rakotra olona manoloana ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina, hatreny amin’ ny morondranomasina, ny faran’ny herinandro teo. Olona aman’alina, tonga niala voly nanatrika ny «Star Tour» tao an-toerana ireo. Ny takarivan’ny zoma dia efa nanomboka ny fanentanana isan-karazany. Na tsy mbola nisy mpanakanto aza, efa tomefy olona ny espace pression. Vao nanomboka ny fanentanana kosa i Barhone sy i Eric Fou Hehy dia nihavory tsikelikely ireo liana tamin’ny fampisehoana teo amin’ny sehatra lehibe, ny sabotsy. Taorian’ny fanentanana samihafa, nanokatra ny fampisehoana i Trezey. Mbola nangatsiatsiaka na ny mpanakanto na ny mpijery tamin’io. Nanomboka nafana kosa rehefa nandimby azy an-tsehatra i Ckiky. Efa tena ana­tin’ny ambiansy tanteraka kosa ny niakaran’i Stéphanie, ary tsy nidina intsony izany na dia vita aza ny anjarany. Notohizan’ireo mpikosoka kapila tamin’ny alim-pandihizana goavana rahateo izany.
Mbola fihaonan’ny tia sy ny manina hafa ihany koa ny alahady. Taorian’ny seho goavana tao Antsonjombe, nihaonana tamin’ireo mpankafy azy ny tarika AmbondronA iny omaly iny. Nahazo ny anjarany ny mponin’i Toamasina, satria ireo nisafidy ny seho an’efitrano dia efa nanokanan’ny tarika fotoana ny alin’ny zoma teo.
Tsiahivina fa sady fanombohana ny «Oktoberfest» iny «Star Tour» tao Toamasina iny.

Zo ny Aina

Partager sur: