Nitrangana haintrano goavana indray teny Tanjombato, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina teo ho eo. Trano lehibe fanamboarana fanaka ity kila hotohoton’ny afo ity. Tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra niaraka tamin’ireo fitaovana ary fanaka efa vita kasaina hamidy. Haingana ny fiitaran’ny afo ka niampita tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina. Trano telo no notselaran’ny afo saingy tsy tafiditra tao anatiny ny afo fa voavonjin’ny sampana mpamonjy voina. Intelo may ity fivarotan-kazo ity. Io niseho ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 12 oktobra teo io no fanintelony. Niteraka fahapotehana ho an’ireo tompon-trano izany. “Intelo may io toerana io tao anatin’ny dimy taona”, hoy ny tompon-trano mifanila amin’ny toeram-pivarotana voakasiky ny firehetana. Velon-taraina noho ny fatiantoka sy fahapotehan’ny entana nohariana tao anatin’ny taona maro, araka izany, izy ireo. Nanao fanentanana hatrany ny mpamonjy voina mba ho mailo amin’izao satria tampoka ny fiavian’ny loza amin’ny alalan’ny firehetana toy izao.
J.C