Mikendry hatrany ny hanatsara ny sehatry ny fitsaboana ny fanjakana. Indrindra eo amin’ny fandraisana an-tanana ny marary eny amin’ny tobim-pahasalamana.
Izay marary andrianina! Izany indrindra no anton’ny fandrafetana ny fomba fiasa iraisana amin’ny fomba fandraisana marary eny anivon’ ny tobim-pahasalamana izay nataon’ireo misehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka.
Maneho fahavononana hanohy ireo ezaka fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana efa natomboka ny fitondram-panjakana sy ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana. Nivondrona, araka izany, ny solotenan’ny mpiasan’ny minisitera, avy ao amin’ny fitaleavana jeneraly misahana ny tolotra ara-pahasalamana, sy ireo mpitsabo (Sociétés savantes) eny anivon’ny toeram-pitsaboana lehibe eto Antananarivo. Eo koa ireo fitaleavana sasantsasany ao anatin’ny minisitera mandrafitra ny “Protocoles standards” ho an’ny hopitaly rehetra manerana ny Nosy. Tanjona ny handraisana an-tanana iraisana ny marary mba hitovy sy manaja ny zon’ny marary.
Aretina 5 izay tena fahita matetika eny anivon’ny tobim-pahasalamana manerana ny faritra 23 no nifantohana manokana. Voalohany amin’ izany ny aretina tazomoka izay mbola mamono olona maro amin’izao fotoana. Eo koa ny aretin’ny taovam-pisefoana. Ny fivalanana noho ny antony maro kanefa azo sorohana izy ireny, izay vokatry ny loto. Eo koa ny gripa ary ny fiakaran’ny tosidra.
Kendrena ny fisitrahan’ny vahoaka malagasy fitsaboana mitovy na fandraisana an-tanana mitovy ireo marary na aiza na aiza toeram-pitsaboana misy azy manerana ny Nosy. Fahatsaran’ny kalitaon’ny fitsaboana omena ny vahoaka malagasy sy ny torolalana mazava ary mitovy no atolotr’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Ankoatra izany, ny fitsaboana azo antoka sy mahomby ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.
Tatiana A