Tokely Justin : “Vonona hiara-miasa amin’ny governemanta”

“Eto izahay dia manambara aminao Praiminisitra lehiben’ny governemanta: vonona ny Antenimierampirenena hia­ra-miasa amin’ny governemanta”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimieram­pirene­na, i Tokely Justin, tany Sam­bava, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny lanonana fametrahana samboady azy sy ireo depiote avy amin’ny faritra Sava sy Diana. Amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny filohan’ny Repoblika izany. Eo koa ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Mamolavola sy manao lalàna ny asan’ny Antenimierampirenena. Koa raha misy ny volavolan-dalàna tokony holaniana ao amin’ny Antenimierampirenena mba hahazoana manatanteraka izay vinan’ny filohan’ny Repoblika izay sy ny PGE, vonona ny Antenimieram­pirenena hanao izay tandrify azy. Mba hampandrosoana an’i Madagasikara izany.
“Mametraka ho laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny rehetra eto amin’ny firenena ny fitondram-panjakana. Maro ny mivolana hoe: inona ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana any amin’ny faritra avaratra?”, hoy kosa ny Praiminisitra Ntsay Christian. Marobe ny vita… Tsy hitanisa ny zava-bita eto an-tampon-tanànan’i Sambava izy, fa hitan’ny rehetra izany. Ham­boarina, ohatra, ny lalàna Vohemar mipaka any Antala­ha, ny eo Antalaha mahazo an’i Maroantsetra sy Mana­nara ary mipaka any Toa­masina. Hatomboka tsy ho ela ny lalana miainga eo Sam­bava mandeha any Andapa ary mivadika any Bealalana sy Antsohihy. Miezaka amin’ny fampandrosoana an’i Mada­gasikara ny fitondram-panjakana. “Izay no voalazan’ny filohan’ny Repoblika: tsy maintsy mihazakazaka isika mba hanatrarana ny fahatarana nandritra ny taona maro. Miroso isika amin’ny fampandrosoana”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: