Transparency International – IM : “Atsaharo ny tolotolotra sy kolikoly amin’ny mpifidy”

Namoaka ny torolalana “Hay fidy ben’ny Tanàna” ny eo anivon’ny Transparency International – Initiative Madagasikara (TI-IM), ny faran’ny herinandro teo. Natao hanampiana ny olom-pirenena sy hanafatrafarana ireo kandidà izany.

Anisan’ny notakin’izy ireo ny hananan’ny kandidà fitondrantena mendrika ka hanalavitra ny fanaovana ireo karazana kolikoly ara-pifidianana. “Aoka hatsahatra ny fanolotolorana mihoapampana zavatra maro samihafa… Tokony hajaina koa ny tsy fitanilan’ny fanjakana”, hoy ny TI-IM. Nentanin’izy ireo koa ny kandidà hanao lahateny ahafahana mitaratra ny tena fahavononana hiady amin’ny kolikoly, ny fampanjakana ny mangarahara ary ny tsy fisalasalana haneho ny tamberin’andraikitra. Eo koa ny hanaovana ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’ny programanasan’izy ireo. Tokony hisitraka ny fandaharanasan’ireo kandidà koa ireo mpifidy. Notakin’ny TI-IM koa ny hanendren’ireo mpirotsaka hofidina ny mpitambolan’izy ireo amin’ny fampielezan-kevitra. ‘Tafiditra amin’ny fanajana ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra napetraky ny lalàna izany”, hoy ihany ny TI-IM.

Fepetra sy sivana momba ireo kandidà
Manampy izany ny hanaovana ho laharam-pahamehana ny fisitrahan’ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena vaovao marina mandritra ny fotoam-pifidianana.
Tsiahivina fa efa andiany fahatelo ny “Hay fidy” ary mitovy amin’ny teo aloha ihany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka farany teo, izany. Anisany ireo fepetra sy sivana ahafahan’ny olom-pirenena mamaritra raha mendrika ho ben’ny Tanàna eo amin’ny kaominina nirotsahany ny kandidà hofidina iray na tsia.
Anisan’ny ampahafantarin’ny TI-IM amin’ny “Hay fidy” koa ny andraikitry ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna.

Synèse R.

Partager sur: