“Youth Camp 2024”: efa any Cameroun i Yvan sy i Ulrick

Efa nigadona any Douala Cameroun, omaly, ny Mala­gasy mpilalao, sokajy zazalahy, i Hanaffy Ivan Abdoul sy Rakotozafy Tsiory Ulrick. Izy roa lahy ireo no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny “Fiba Africa Regional Youth Camp 2024”. Fiofanana basikety ho an’ny mpilalao sangany aty Afrika latsaky ny 18 taona, hatao ny 14 hatramin’ ny 17 oktobra izao, ho an’ny zazalahy. Ny 21 hatramin’ny 24 okotobra ho avy izao, any Abidjan Côte d’Ivoire kosa, ho an’ny sokajy zazavavy izay handraisan’i Madagasikara anjara ihany koa, amin’ny alalan’ny mpilalao miisa roa. Rasoariniaina Tantely, mpilalaon’ny Fandrasa sy Rabeniamina Kaloniaina Tiffany, mpilalaon’ny MB2ALL no hisolo tena ny Malagasy, ho an’ny zazavavy. Misy mpanazatra iray hiaraka amin’izy ireo mandritra ity fiofanana ho an’ny zazavavy ity, izay hatao any Abidjan Côte d’ivoire, dia Ralaivao Felana.

Mi.Raz

Partager sur: