Mahitsy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna Andekaleka amin’ny tsy fahampian’ny herinaratra aty Antananarivo. « Mirongatra ny fanimbana ny doro ala sy ny tavy », hoy izy.
Mitranga isan-taona ny tsy fahampian’ny herinaratra ao amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Anisan’ny mamatsy azy ny tohodranon’Andekaleka, ahitana gropy miisa 4, mamokatra herinaratra. Tsy afaka mihodina araka ny tokony ho izy anefa ankehitriny ity toby ity, satria tsy ampy ny tosiky ny rano avy amin’ny renirano Vohitra, ka ny roa ihany sisa no mandeha. Manoloana izany, nilaza i Soatombo Claudine, ben’ny Tanàna Andekaleka, distrika Brickaville, fa « maro ny tsindry mahazo ny ala mahatonga izao tsy fahampian’ny rano izao. Mitombo ny isan’ny mponina, nefa tsy mahasakana azy ireo izahay. Hany ka mirongatra ny fifindra-monina, mitrandraka volamena sy harena an-kibon’ny tany. Manao antso avo amin’ny fanjakana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny mpitandro filaminana, hijery aty ifotony ny zava-misy sady handray andraikitra.
Mpanapotika ny VOI
Ao anatin’ny faritra arovana Tandavanala Ankeniheny Zahamena (Caz) ny ao Andekaleka. Rakotr’ala izy fony nananganana ny tohodrano, ny taona 1981, ary vita ny 1982. Tsy nisy ny andraikitra niarovana ny ala, ka nirongatra ny fandripahana, ary izao ringana tanteraka izao. Nomarihin’i Soatombo Claudine fa « ny faritra sahanin’ny Conservation internationale nafindra fitantanana amin’ny VOI no tena potika. Eo ho eo ihany kosa ny fahasimbana any amin’ny faritra tantanin’ny Madagascar National Park (MNP) ».
Ala savoka, zavamaniry kely sy fambolena no tena hita any. Fambolena sakaviro (sakamalaho), vary an-tanety, akondro, kafe, … no tena foto-piveloman’ny 95% ny mponina, miisa 14 500, satria kisilasila fa tsy misy ny velaran-tany midadasika.
Njaka Andriantefiarinesy