Baolina kitra – “Can 2025” : mihasarotra ny lalan’ny Barea

Faharesena faharoa ho an’ny Barea de Madagascar, amin’ny ady tapakilan’ny “Can 2025”, ny omaly, tany Maroc. Lavon’ny Scorpion Gambie, 1 no ho 0, izy ireo.

Ratsy ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny Stade El Abdi Maroc. Resin’ny Scorpion Gambie, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipa nasionaly malagasy. Mbola lavitra ny fandraisana anjara amin’ny “Can Maroc 2025”, ho an’ ny Malagasy mpilalao. Taorian’iny andro fahefatry ny fifanintsanana iny, mitana ny laharana farany hatrany ny Barea, izay manana isa roa.
Raha iverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, nanindry tamin’ny fitazomana baolina ny Barea, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Tany amin’ny minitra faha-28, nanao fahadisoana i Sonny Laiton, mpiandry tsatobian’ny ekipa malagasy ka nahazo “penalty” ny gambianina saingy azon’ity mpiandry haraton’ny Barea ity izany. Taorian’io, tsy nisy ny fanafihana nampatahotra na ho an’ny andaniny na ho an’ny ankilany, ka ady sahala 0 no ho 0 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, nanomboka nametraka ny tena lalaony ry zareo maingoka gambianina, ka nahakobana ny harato i Barrow, mpilalaon’i Gambie, minitra faha-63. Niezaka ihany ny mpanazatran’ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix, na Coach Rôrô, nanova paikady saingy tsy nampiova ny isa teny amin’ny solaitrabe izany.
Tsara marihina fa lalao roa sisa no hataon’i Madagasikara amin’ity Can ity, ka i Comores sy Tunisie no miandry azy ireo. “Hiasa isika manomboka izao, hanarina ireny lesoka hita nandritra ny andro voalohany sy faharoa ary fahatelo sy fahefatry ny fifanintsanana handraisana anjara amin’ny Can ireny. Mbola olana ny tsy famonoana baolina”, hoy ny Coach Rôrô.

Isa iray ihany
Raha isa enina na efatra no noheverin’ny delegasiona Barea de Madagascar ho azo tamin’ity andro fahatelo sy fahefatry ny ady tapakilan’ny “Can 2025” ity, dia isa tokana ihany no hita. Tsiahivina fa mety hisy fiantraikany amin’ny filaharan’ny Fifa ireny faheresen’ny Barea omaly, tany Maroc, ireny.

Fitia Randria

Partager sur: