Raha tsy matin’ny jiolahy dia matin’ny hanoanana! Izany ny zava-misy iainan’ny mponina ao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana (Toamasina) amin’izao fotoana izao. Renim-pianakaviana iray tokony ho 45 taona, sahirana ara-pivelomana, no maty vokatry ny fianjerana tampoka teo amin’ny arabe tao Bazaribe Ampasimazava Toamasina, omaly. Voalazan’ireo olona mahafantatra azy, tsy misy mpiahy ity vehivavy namoy ny ainy ity fa ireo olona mangoraka sy mitsetra azy no manome sakafo azy. Indraindray anefa tena tsy misy miraharaha mihitsy izy. Teo akaikin’ny toeram-pivarotana fanaka izy no nianjera. Niezaka nanavotra azy ihany ireo olona teo amin’ny manodidina ny toerana nianjerany. Nisy ny nanome rano sy sakafo. Voalaza fa tsy nisy sahy niala vola am-paosy kosa hiantoka ny saran-dalany hamonjena ny ainy any amin’ny Hopitalibe Toamasina. Vokany, tsy avotra intsony ny ainy, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo nanatri-maso. Raha ny fanazavana voaray teny anivon’ny BMH, sampandraharaha misahana manokana ny olona maty tsy eny anivon’ny hopitaly, dia hanoanana no nahafaty ity vehivavy ity. Miandry ny fianakaviany kosa haka ny razana ao amin’ny hopitaly raha tsy izany dia hiroso amin’ny fandevenana azy ny tomponandraikitra.
Sajo