Nivoaka ny sabotsy teo, teny Ambatobe, ny tanora 27 mianadahy avy amin’ny andiany “Mamiratra”, nahavita fiofanana teo anivon’ny Future Leader Young with Potential (Fly-P) ao anatin’ny fandaharanasa Solika Groupe. « Tanjona ny hananana tanora mendrika eo amin’ny sehatry ny asa », hoy i Herisoalalao Natacha, reny mpiahy ny hetsika sady mpanorina ny orinasa Rezo 2 services. Mila tohanana, hoy izy, ny tanora hahafahany mampitombo traikefa sy fahasahiana eny amin’ny toeram-piasana. Tafiditra ao anatin’izay ny sehatry ny fandraharahana sy ny fitantanana orinasa. « Miisa 15 ireo taranja nampiofanana ireo tanora tao anatin’ny efa-bolana, natao izany hanamorana ny fidiran’izy ireo anatin’ny tontolon’ny asa sy ny hananganany orinasa », araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny Solika Groupe, Rafiononana Rosa. Natokana ho an’ny tanora mihoatra ny 18 taona ny fiofanana, tsy mitaky diplaoma saingy ilaina kosa ny fahavononana. Ankilany, mitondra tantsoroka ara-teknika sy manara-maso ireo tanora nahavita fiofanana ireo minisitera mpiara-miombon’antoka ahafahany mandroso sy mivelatra eo amin’ny sehatry ny asa. « Nanampy ahy tamin’ny fahaiza-mitantana sy ny teknikam-pananganana orinasa ny fiofanana nataoko. Ankehitriny, tanteraka ny tanjona napetraka», hoy i Tsanta Manuella, anisan’ireo nisitraka fiofanana.
Henintsoa H.