Notokanana omaly ny foiben’ny kandidà Ravalomanana Tojo etsy Ambohimanarina. Nambarany tamin’izany fa fanokafana fotsiny ihany izao natao izao. “Mbola hiverina izahay fa nandalo fotsiny ihany aloha androany. Afaka mandalo eto amin’ity foibe ity avokoa isika mifampiresaka”, hoy izy. Tsiahivina fa nanao diabe izy ireo tamin’izany.
Nifanakalo hevitra sy nametraka paikady hiatrehina ny fifidianana ireo avy amin’ny Tim sy ny FMMR any Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Samy manohana ny kandidà, Ratsiraka Roland, avokoa izy ireo ary mivondrona eo anivon’ny vovonana Toamasina mifoha. Tsiahivina fa manohana azy koa ny MMM amin’izany fifidianana izany.
« Handraisanay fepetra ireo mihoa-pafy na tsy manara-dalàna ary mety ho tonga any amin’ny fanintsanana ilay kandidà izany amin’izao « précampagne » izao”, hoy i Soava Andriamarotafika, mampaka-tenin’ny Ceni. Nambarany ihany koa fa voahaja avokoa hatreto ny tetiandro napetraky ny Ceni.
Manao tohivakana ny fanambarana fanohanana ny kandidà tsy miankina, i Penjy Randrianarisoa, eny amin’ny kaominina Ivato. Maromaro ireo fikambanana sy antoko politika naneho fahavonona hiara-dalana aminy. Anisan’izany ireo eo anivon’ny Tim sy ny mpivarotra eo amin’ny tsenan’Ivato ary ireo olon-tsotra, resy lahatra tamin’ny fitantanany ny tanàna.