INDRAY MIJERY

Ny diabeta sy ny ativava indray no lohahevitry
ny fampianarana ho an’ireo olona diabetika hatao eny amin’ny Amadia Faravohitra, ny sabotsy izao. Natao ho an’ireo olon-dehibe manana toe-tena diabetika indray ny fifampizarana amin’io. Mila kolokoloina ny ativava na dia ho an’ny olona salama aza.
Mivaivay ny doro tanety any amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Miara-miasa ny ATT sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny faritra Boeny sy ny Care International manentana ny mpampiasa ny lalam-pirenena mba hamono tsara ny afon-
tsigara izay vao mandeha, rehefa avy manao fakan-
drivotra. Hiantso ny laharana maitso 955 raha mahita trangana doro tanety eny amin’ny lalam-pirenena.
Fotoana mampirongatra ny moka ny andro ma­fana toa izao. Mampahafantatra ny sampandraharaha miady amin’ny tazomoka fa mandroaka moka ny ravina voatabia ka tsara ny mamboly izany eo an-tokotany. Toraka izany, ny kininim-potsy izay azo ahantona eo am­baravarana sy ny varavarankely. Ampangotrahina ihany koa ary aparitaka ao an-trano ny entona.
Ho fanampiana ireo fikambanam-behivavy hahavita tena dia horaisin’izy ireo ny fanjairana ny aronakanjo ho an’ny mpianatra izay raisin’ny fanjakana an-tanana. Mpianatry ny sekolim-panjakana rehetra misitraka aronakanjo tsara kalitao no tanjona.

Partager sur: