Anisan’ny fameloma-mason’ny faritanin’i Toamasina, ataon’ireo olo-malaza avy ao aminy, ny « Makua Festival Music ». Zanak’i Toamasina avokoa ny miara-misalahy amin’ny fikarakarana azy ity.
Hotanterahina ny 31 oktobra 2024 hatramin’ny 3 novambra 2024, manoloana ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina, ny « Makua Festival Music », andiany voalohany. Hetsika karakarain’ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina miaraka amin’ny Makua Entertaiment. Ankoatra ny fanetsiketsehana ny zavakanto sy ny kolontsain’ny faritra Atsinanana, indrindra ny ao Toamasina, tanjona ny hitondra fanararaotra ho an’ny sehatry ny toekarena ho an’ny faritanin’i Toamasina. Anisan’ny hasongadina mandritra izany ihany koa ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fanamaitsoana an’i Madagasikara. Olona manodidina ny 25 000 isan’andro no andrasan’ny mpikarakara ao anatin’izao hetsika izao.
Hetsika vinavinain’ny mpikarakara ho atao isan-taona ny « Makua Festival Music ». Mandritra izany no hanasongadinana ny zavakanto sy ny kolontsaina avy ao amin’ny faritanin’i Toamasina, anisan’izany ireo haitao sy haingo entin’ny mpanao diabe fanokafana ny hetsika ny 31 oktobra 2024. Asa tanana sy firavaka vita ao an-toerana avokoa no hampiasaina ao anatin’izany, sahala amin’ny harendrina, ny akanjo entin’ireo mpanao diabe. Eo ihany koa ny mpanakanto mpandray anjara amin’ny hetsika, izay nifantenana manokana ho ny avy ao an-toerana. Misy kosa anefa ireo mpanakanto avy amin’ny faritra hafa handray anjara.
Diabe mianga eo amin’ny Lycée Jacques Rabemanajara, mamakivaky ny Boulevard Ratsimilaho ary mifarana eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna ny hanokafana ny hetsika, ny 31 oktobra 2024. Fampirantiana sy fampisehoana iarahana amin’ireo mpanakanto mandray anjara kosa no handravaka ny hetsika manomboka ny 1 novambra 2024.
Lin