MMA-WFA Championship : nandresy an’i Mohamed i Tojo Heriniriana

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny Malagasy mpikatroka amin’ny taranja MMA (Martial Mixed Arts)/ i Tojo Heriniriana. Miatrika fifaninanana matihanina any Shanghai Chine, izy, nanomboka tamin’iny volana septambra iny, izay nisafidy mano­kana ny hifantoka amin’ny taranja MMA. Nahazo fandresena indray izy, omaly, tao anatin’ny fifaninanana “Main évent”, izay tafiditra anatin’ny “WFC Championship 2024”. Teratany Khazakstan, i Moha­med, no nifanandrina tamin’i Tojo ka resiny tamin’ny TKO teo amin’ny fihodinana voalohany. Nambaran’i Tojo fa efa tsara ny toerany amin’izao satria efa fandresena roa sahady izao no azony hatramin’ny nanombohan’ity fifaninanana matihanina hatrehany any Chine ity. Tsiahivina, ny 7 septambra lasa teo no niatrika ny ady voalohany tany Chine i Tojo ary nahazo ny fandre­sena, 30 segondra niadiana, tamin’ny fihodinanana faharoa, tamin’ny “soumission”. Tamin’ny alalan’ny “clé bras” no nandavoany ny mpifanandrina taminy. Mbola hitohy sy mbola maro ny ady miandry azy, izay miankina amin’ny mpikarakara ny “WFC Cham­pionship”, araka ny nambarany. Nangataka ny fanohanana avy amin’ny mpiray tanindrazana i Tojo Heriniriana satria voni­nahi-pirenena no anton-diany any Chine sy hiatrehany ny fifaninanana matihanina toy izao.

Mi.Raz

Partager sur: