Ora efatra ny fifampitifirana: mpaka an-keriny fito mianadahy maty

Niampatrampatra ny faty! Mpaka an-keriny fito mianadahy no lavon’ny balan’ny zandary sy ny Tafika. Avotra ny takalonaina. Basy Mas 36 iray niampy basim-borona efatra no tratra.

Naharitra ora efatra ny fifampitifirana teo amin’ ny zandary niaraka tamin’ny Tafika, andaniny sy ny mpaka an-keriny, ankilany tany Anosimanjaka, Ambolo­tarakely. Ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy no nisehoan’izany. Nahafahana nanao ny hetsika ny fitrandrahana ny loharanom-baovao avy ao an-toerana. Nahery vaika ny fifandonana, araka ny fitantaran’ny mpitandro filaminana. Vokany, dahalo miisa fito lavon’ny bala. Vehivavy ny roa tamin’izy ireo. Ankilany, dahalo roa lahy azo sambo-belona niaraka tamin’ny vehivavy efatra niray tsikombakomba aminy. Nahatrarana fitaovam-piadiana teny amin’ireo mpaka an-keriny ireo. “Calibre 12 miisa efatra sy MAS 36 iray hatreto no azonay”, hoy ny zandary. Nitohy hatramin’ny omaly nanoratana ny vaovao ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Avotra moa ilay ramatoa vadina Pasitera.

Avotra
Raha ny vaovao ofisialy azo, avotra soa aman-tsara ny vehivavy iray tamin’ireo roa natao takalonaina. Tsy fantatra kosa ny momba ny vehivavy iray faharoa niaraka taminy. Nisy ny loharanom-baovao ivelan’ny mpitandro filaminana nilaza fa namoy ny ainy izy.

Tsiahivina fa nalaina an-keriny tao Ambohidava, fokontany Ankorohoro, kaominina Ambolotarakely, ny vehivavy roa. Anisan’izany ilay vadina pasitera, izay lasan’ny jiolahy ny 17 septambra teo.
“Nanao ny paikady rehetra. Nakaikezina ny vadin’ireo olona roa lasa takalonaina ireo”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao Ambolotarakely. Nitaky vola 50 tapitrisa Ar ireo olon-dratsy. Tsy nanana io lelavola io anefa ny lasibatra. “Nasainay nanaiky ny fandoavana io vola io ny vadin’ireo lasibatra na dia tsy nanam-bola aza”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Namena toerana hanaterana ny vola, araka izany, ireo olon-dratsy. Rai­kitra ny famolavolana ny tetika rehetra hisamborana azy ireo. Izao nahitam-bokany izao ny ezaka.
Marihina, tafaverina anivon’ny fianakaviany koa ny olona roa tamin’ireo telo nalaina an-keriny tao Babangy-Mamavo, kaominina Amba­kireny, distrikan’i Tsaratàna­na, ny faran’ny herinandro teo. Nanome vola ireo olon-dratsy ny havan’izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: