SOMBIM-BAOVAO

Nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny ekipa malagasy, taranja ping-pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Fifaninanana natao tany Addis-Abeba Ethiopie, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Nigeria ny Malagasy. Samy resy tamin’ny seta 3 no ho 0 avokoa Andriantahina Tina sy Raharima­nana Hanitra ary Jaoferson Fara.

Laharana faha-6 tamin’ireo firenena 9 nandray anjara ny Malagasy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tennis, sokajy U12. Fifaninanana nifarana ny alahady lasa teo, tany Gaborone Botswana. Teo amin’ny lalao farany, resin’i Botswana tamin’ny isa
2 no ho 1 ny Malagasy, nahitana an’i Realy, Koloina ary i Onintsoa.

Efa migadona any Tanzanie ny ekipan’ny GNBC (Gendarmerie nationale de basket-ball club). Hiatrika ny dingana voalohany amin’ny “Road to BAL” izy ireo. Tsia­hivina fa hanomboka rahampitso 15 hatramin’ny 20 oktobra izao ny fifaninanana.

Hatao ny 14 hatramin’ny 22 desambra izao ny andiany faha-16 amin’ny “Challenge de Baobab”, taranja basikety. Fifaninanana hatao ao amin’ny “Complexe Sportive” Ampisikina Mahajanga, natokana ho an’ny sokajy Seniors, lahy sy vavy.

Partager sur: