Tsy nanadino ny fetin’ny Repoblika Malagasy ny fitondram-panjakana. Nisy ny hetsika teny Andafiavaratra, omaly.
Fampirantiana sary, famelaberalan-kevitra, fotoam-pivavahana no nanamarihana ny faha-66 taona nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, 14 oktobra 1958-2024, omaly. Teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no nikarakaran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izany. Nambaran’ny minisitra Mara Volamiranty Donna fa “raha olona tsy mahalala ny tantarany, naman’ny olona very sy tsy manana ny lalan-kalehany amin’ny hiatrehany ny adidy aman’andraikitra”. Sarotra ny hanana olom-pirenena vanona sy mandray andraikitra, raha tsy mahafantatra ny tantarany. “14 oktobra 1958: nisafidy malalaka ny sata repoblikanina ve ny vahoaka malagasy?” kosa ny famelabelaran-kevitry ny mpahay tantara sady akademisianina, Rakotonaivo Julien. Teny amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina ny fotoam-pivavahana, nilazan’ny mpahay tantara, ny Jly Ramakavelo Désiré, fa raha vao miresaka tantara: tsy maintsy itodihana ny lasa, jerena ny ankehitriny, banjinina ny hoavy. Amin’izao: “Mandroso ho aiza isika?”, hoy izy. Manana i Madagasikara amin’ny harena an-kibon’ny tany, harena an-dranomasina, fidadasiky ny tany… Inona no anaovana azy ? Fotoana izao ampahatsiarovana ny tantara hahatonga saina ny rehetra.
Raha tsiahivina, nisy ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 28 septambra 1958, nandresen’ny “Eny” tamin’ny salam-bato 77%: eo ambany fiahian’i Frantsay hatrany i Madagasikara. Niantso ny mpanolotsaim-paritany hanao ny kongresy teny amin’ny Lycée Gallieni Andohalo, ny filoha lefitry ny governemanta, i Tsiranana Phibert, ny 14 oktobra 1958. Tamin’izay, nankatoavina ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanambara izany ny filohan’ny kongresy, i Zafimahova Norbert.
R. Nd.