Ahina ho novonoin’ny mpampiasa azy : lehilahy maty novelesina biriky sy bois rond

Niady tamin’ny fahafatesana nandritra ny tapa-bolana, namoy ny ainy, ny lehilahy iray voatoroka ho nangalatra tao amin’ny mpampiasa azy, tetsy Alakamisy-Anosiala. Nitory ny fianakaviany.

Tovolahy 29 taona namoy ny ainy ny alatsinainy 14 oktobra teo, vokatry ny daroka biriky sy bois-rond nahazo azy, tao amin’ny fo­kon­tany Tsarahonenana, kaominina Anosiala, distrikan’Am­bohi­dratrimo. Notorohin’ny mp­a­mpiasa azy ho nangalatra vorontsiloza sy akoho iray izy, ny alahady 6 oktobra lasa teo. “Nataon’ireo mpampiasa azy ireo sarika am-pandriana tao amin’ny sakaizany io lehilahy io, tamin’io andro io, tamin’ny 4 ora maraina”, hoy ny fanazavan’ny olona akaiky azy. Notazomin’io mpampiasa io tany an-trano izy rehefa avy novonoina. “Novonoina tany an-tsaha izy talohan’io”, hoy ny loharanom-baovao. Nara­tra mafy, niantso andrimasom-pokonolona ny mpiray tanàna tamin’io lehilahy io ka naka azy tao amin’ilay mpampiasa. “Nentina teny amin’ny manara-penitra izy. Nambaran’ny mpitsabo fa misy tapaka ny lalan-drà ao amin’ny faritry ny lohany”, hoy ilay olona akaiky azy. Tsy nanam-bola nitsaboina ny marary ity farany ka voatery nentina nody natao fitsaboana tao an-trano ilay naratra tapa-bolana nahavoa azy.

Nitoroka ny nahavanon-doza
Nitantara tamin’ny havany momba ireo olona namono azy io lehilahy io tamin’ny fotoana mbola nahatsiarovany tena. “Nalainay anaty horonantsary avokoa ny fanazavany tamin’io fotoana io ary nentinay eny anivon’ny fikambanana miaro ny Zon’olom­belona”, hoy ny loharanom-baovao. Voatonona anatin’io ny mpampiasa azy sy lehilahy iray hafa. Nitory teny anivon’ny zandary rahateo ny olona akaiky ny lasibatra, ny herinandron’ny 7 oktobra. “Tsy nisy tohiny ny raharaha tamin’io fotoana io. Maty izy izay vao nosamborina ilay mpampiasa sy olona roa ka ilay lehilahy nirahina nidaroka ny iray”, hoy ny fanazavan’ny olona natokisan’ny maty. Miantso ny tomponandraikitra hijery ifotony ity tranga ity ireto farany. Takin’izy ireo ny hampiharana ny sazy sahaza ho an’ireo nahavanon-doza tamin’izao vonoan’olona izao. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: