Ala honko : teknisiana 20 hiofana any Chine

Manana anjara lehibe amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny ala honko. Efa lasa lavitra amin’ny fitantanana sy fiarovana azy ny any Sina. Manampy an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ho fiarovana azy ny fikambanana International Mangrove Center (IMC) sy ny Mangrove Conservation Foundation (MCF) avy any Sina. Tanjona ny hitantanana maharitra ny ala honko sy ny harena an-dranomasina ao aminy. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ny hanofanana teknisiana malagasy miisa 20 any Sina amin’ny taona 2025, hanamafisan’izy ireo ny fahaiza-manaony. Ireto farany indray no hizara ny traikefany eto amintsika, ka ao anatin’izany ny fanentanana ny mponina eny ifotony amin’ny fiarovana ny ala honko mando.
Miaro ny morontsiraka tsy ho kaohin’ny ranomasina ny ala honko. Mifoka ny entona karbona sady miaro ny faritra mando. Toeram-ponenana sy fanatodizan’ny hazandrano, toy ny lamatra, ny drakaka, sns, izay miantoka ny foto-piveloman’ny mponina eny ifotony, mitondra fampandrosoana ho an’ny faritra sy ny firenena ankapobeny.

Njaka A.

Partager sur: