Fanasan-tanana : nanentana ny kamboty ny vondrona kameroney

Andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana ny 15 oktobra. Nitsidika sady nanentana ny ankizy tezaina ao amin’ny foibe fitaizana ny zaza kamboty Felana Maitso eto Antananarivo, ny alatsinainy teo, ny vondron’ny teratany kameroney eto Madagasikara, nanamarihana izany. Nohazavaina tamin’ny ankizy ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana sy ny fomba fanaovana azy.
Fikambanana sosialy sy tompon’andraikitra ny vondrona teratany kameroney eto amintsika, ka nanolotra fanomezana ho an’ny akany Felana Maitso, toy ny vary 100 kilao, menaka 32 litatra, voamaina 20 kilao, paty «spaghetti sy macaroni» 4 baoritra, akanjo 1 gony, bisiky, zava-pisotro mamy, savony, sns.
Nilaza ny filohan’ny fikambanana, Paul Roger Tseumeu, fa «hotohizana any amin’ny sekoly sy ny toerana fanabeazana ankizy ny hetsika toy izao. Tsotra nefa manan-danja amin’ny fisorohana ny aretina, mba hisian’ny fahasalamana ho an’ny daholobe». Nankasitraka ny fikambanana ny tomponandraikitry ny akany, Ramaromandray Lilia Olga, satria mampazoto ny ankizy tezaina ao ny firaisankina nasehony.

Njaka A.

Partager sur: