Olana sedrain-dRamalagasy ny ady tany, izay sokajiana ho ady madio eny amin’ny fitsarana. ”Havadika ho ady heloka izany ka tsy maintsy ravana ny tambajotran’ny mpangala-tany”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.
Fanamby goavana! “Mila apetratsika ary mila ravantsika ireo tambojotra rehetra anatin’ny fangalarana tanin’ny vahoaka. Horavantsika izany tambajotra izany.”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny Ambohitrabiby Avaradrano, omaly. Nasiany tsindrim-peo manokana io olana io, tamin’ny lanonana fanolorana ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Avaradrano sy ny fonjabe eny an-toerana.
”Raha olona fantatra fa manana ny rariny ary na iza na iza ao ambadiky ny fangalarana tany: enjehina hatramin’ny farany. Aoka tsy hifamitaka. Horavana ny tambajotra amin’ny fangalaran-tany eto Madagasikara, fa tsy eto Antananarivo ihany. Fantatra avokoa ireo mpangalatra tany, fantatra hoe avy aiza no niavian’ny tany, fantatra hoe olona na fianakaviana iray maka tanin’olona folo na 20. Hisy ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Bianco amin’izany”, hoy hatrany izy tamin’ny laha-teniny.
”Olana amin’ny ady tany: rehefa mahazo rariny ireo mpangalatra, be ny maty amin’ireo resy amin’ny fitsarana angalarana tany. Mahazo tombony izy ireo fa lasany ny tany. Rehefa resy indray ireo mpangalatra tany, tsy olana satria tsy migadra fa lazaina fotsiny hoe an’izay tompony ny tany”, hoy hatrany ny filoham-pirenena. Manomboka izao, hatao ny lalàna manokana: atao heloka bevava ny fangalarana tany, araka ny voalazany. “Ny finiavana sy torolalana no avy amiko, fa avy amin’ny tomponandraikitra rehetra ny fanatanterahana”, hoy izy namarana ny kabariny.
Kaominina 18 amin’ny distrika Manjakandriana sy Anjozorobe, izay misy mponina 550 000, no misitraka ny fotodrafitrasa vaovao izao. Misahana ny ady madio sy ady heloka ny fitsarana. Amin’ny velarantany 23 000 m2 mahery ary mahazaka voafonja 900 ny fonjaben’ Avaradrano. Manaraka fenitra amin’ny fiarovana izany, manaraka ny fenitra maha olona, fiarovana ny zo maha olona.
R. Nd.