Fiatrehana ny fifidianana : mametraka ny foibeny ny kandidà Ravalomanana Tojo

Efa ao anatin’ny fametrahana paikady hiatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna ny kandidà, Ravalomanana Tojo. Anisan’ny efa nametrahana izany sy nanombohana ny fanakaikezana ny vahoaka ny eny Ambohimanarina.
Nialoha izany, nitsodrano ny zanany, Ravalomanana Tojo, sady naraham-bavaka teny Faravohitra, ny sabotsy teo, ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana. Namba-rany tamin’izany fa tsy main­tsy faranana ny fanapotehana ny eto Antananarivo Renivohitra. “Hatomboka ny fanavotana ireo vahoaka… Hatsangantsika ny efa rava fa ampy izay ny fanapotehana ity tanànantsika ity”, hoy izy. Notanisain’ny kandidà Rava­lomanana Tojo kosa ireo olana samihafa sedrain’An­tananarivo sy ny fahasahiran’ny mponina ao aminy. Ma­noloana izany ny nanentanany ny rehetra hiroso ho any amin’ny fanovana. Nanaovany antso avo ny hijoroan’ny rehetra mba hampanjakana ny mazava. Na izany aza, niantsoany ny fahavitrihan’ny olom-pirenena hifidy izany sy handraisana an-tanana ny ho avy ary hitsinjovana ny taranaka ihany koa.

Hiaraka hampandresy
Etsy andaniny, nanome toky ny hiara-kiasa hampan­dresy ny kandidà Ravaloma­nana Tojo sy ireo mpanolo­tsaina miaraka aminy, ireo depiote Tim voafidy tamin’ireo boriborintany eto an-dReni­vohitra. Nambaran’ny depiote, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, nisolo tena azy ireo tamin’izany fa nahavelompanantenana izao satria tojo an’i Tojo Ravalomanana Antana­narivo sy ny vahoaka. Nitso­drano ity kandidà ity ireto solombavambahoaka ireto avy eo.

Synèse R.

Partager sur: