Haino aman-jery : miasa ny sampana miaro ny mpanao gazety

Tafajoro sy miasa ny sampana miaro ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nampahafantarina ny 10 oktobra 2024, tetsy amin’ny Motel Anosy, izy io. Rafitra eo anivon’ny Ilontsera, «observatoire des médias et de la communication», tafiditra ao anatin’ny tetikasa «Manehoa”. Anjara asan’izy io ny manome tohana ara-tsaina sy torohevitra maimaimpoana ary fiarovana ireo matihanina amin’ny tontolon’ny haino aman-jery eto amin’ny Nosy. Tanjona ny hiarovana ny mpanao gazety, indrindra ny mahakasika ny tranga fanohintohinana sy tsindry ary herisetra mianjady amin’ny azy ireo eo am-panatanterahana ny asany. “Manohana ny mpanao gazety tandindomin-doza ity sampana ity, indrindra ny vehivavy, izay misedra tsindry amin’ny endriny maro», hoy ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny Ilontsera, Mamelasoa Ramiarinarivo, nandritra ny fanolorana ny sampana teny Anosy. “Mahazo tombony bebe kokoa amin’ity sampana ity ireo mpanao gazety misoratra ao amin’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ireo manao ny asany ara-dalàna», hoy ny filohan’ny OJM, Rasoloarison Monica.

Maro ny mandrafitra ny sampana: ny Ilontsera, Holafitry ny mpanao gazety, mpisolo vava, psychologue ary ny sampana mpanara-maso. Haharitra 36 volana ny tetikasa, izay vatsian’ ny Vondrona eoropeana vola.

Mino

Partager sur: