Manerinerina : lehilahy votsotra teo an-tanan’ny dahalo

Tafatsoaka tampoka teo am-pelatanan’ny dahalo mpaka an-keriny ny lehilahy iray, tao Manerinerina, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tonga tao amin’ny zandary ao Mahatsinjo ny lehilahy iray, anisan’ireo nalain’ny dahalo an-keriny tany Amboditetina Andranomiely, ny 13 oktobra 2024 teo. Tao anatin’ny fanadihadiana tsotsotra azy no nitantarany tamin’ny zandary fa niala tao Amboditetina izy telo mianadahy, niaraka tamin’ireo mpaka an-keriny fito lahy nitondra basy Kalachnikov roa, basim-borona ary famaky. Ny sabotsy alina tamin’ny 8 ora, rehefa avy nisakafo izy ireo, no nitady vatsy tao amin’ny tanàna iray. Nifanehatra tamin’olona maromaro ka nisy ny fifampitifirana. Nandritra ny fihemorana no nahatafaporitsaka ity lehilahy ity, niezaka nianandrefana izy ka nipoitra teo Manerinerina. Niangavy fiara mba hitondra azy any Mahatsinjo izy satria nolazainy fa misy havany ao an-tampon-tanàna. Efa nandalo fizaham-pahasalamana tao amin’ny CSB II Mahatsinjo izy. Mitohy any Ankazobe kosa ny famotoran’ny zandary azy.

J.C

Partager sur: