Mpandrindra ny GFFM : “Tokony hahatsapa ny ezaky ny fanjakana isika…”

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpandrindra nasionalin’ny Gideona fandresena ny fahantrana (GFFM), Rakotovao Andriamparany. Nambarany tamin’izany fa efa mamaha ny olana rehetra ny fanjakana.

Niaiky ny tenany fa mety tsy ho izao sy anio ny hisitrahana ny vokatry ny ezaka rehetra ataon’ny fitondram-panjakana. “Tokony hahatsapa anefa isika fa efa manao ezaka ny filoha Rajoelina Andry sy ny fitondrana tarihiny… Betsaka ny laharam-pahamehana ho antsika ary efa mikaroka vahaolana ho an’ny andavanandron’ny vahoaka ny fanjakana”, hoy izy. Notanisainy ny fijerena ny vidim-piainana, ny jiro sy ny rano, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fotodrafitrasa, ny fizahantany. Eo koa ny fandraharahana sy ny indostria ary ny fandriampahalemana. Nanterin’ity mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny Armada ity fa tetikasa mahomby ary miantraika mi­vantana amin’ny vahoaka avokoa ireo.
Etsy andaniny, nankasitrahin’ny any ivelany ary nankaherezina ny ezaky ny “Aviation civil” eo amin’ny fitaterana ana habakabaka. Voa­lohany koa ny seranana RavinalaAirports eo amin’ny fandraisana mpandeha. Miro­borobo ny fidiran’ny kaompania vahiny, araka ny nambarany. Anisan’izany ny Emirats. Miroso ny vahaolana ho an’ny Madagascar Airlines. Ny fidinana ifotony nataon’ny filoha, nanadiovana ny kolikoly teny Ivato…

Tsy matahotra ny Tim ny Irmar
Eo amin’ny lafiny politika kosa, nambarany fa miray feo amin’ireo antoko eo anivon’ny Armada ny GFFM. Manana kandidà amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna manerana ny Nosy iarahana amin’ny vovonana Irmar izy ireo. Nandalo masontsivana sy voafantina izany. “Olona azo antoka sy itokisana ary manana fahaiza-manao amin’ny fitantanana ary nofantenana sy niainga avy eny ifotony”, hoy izy. Ho an’ny fifidianana eto an-dRenivohitra kosa, nohitsiny fa tsy matahotra ny kandidàn’ny Tim ny Irmar. Jereo ny tantara ary efa naka lesona ny rehetra. Manana ny tanjany sy ny heriny ny kandidàn’ny Irmar ka tsy matahotra. “Avelao handeha ny fifidianana sy ny fitsaran’ny vahoaka”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa resy ny Tim fony natanjaka sy teo amin’ny fitondrana, ny taona 2007. Mbola resy koa izy ireo tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Jereo ny zava-bita, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: