Ravan’ny polisy notarihin’ny kaomandin’ny Fip Toamasina, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Sylvano, 21 taona. Nandritra ny hetsika “THB Tours” teo anoloan’ny Araben’ ny Fahaleovantena no saika hanatanterahin’ity jiolahy ity ny tsatok’antsy tamina olona iray, ny sabotsy. Mbola nitohy ny alahady ny hetsika ka tovolahy roa indray no tratra teo am-panendahana sy nangarom-paosy. Momba ny raharaha zava-mahadomelina sy fanolanana, tovolahy iray 25 taona no tratran’ny polisy. Araka ny angom-baovao voarain’ny polisy, tao amina efitrano iray fandraisam-bahiny ao Ankirihiry Toamasina, no nisy trangan-javatra hafahafa. Nidina haingana tao amin’ilay efitrano ny polisy nanao savahao ny efitrano. Tovovavy iray 17 taona no tsy mahatsiaro tena vokatry ny tsindrona zava-mahadomelina mahery vaika. Hita nivalampatra teo ambony fandriana izy sady niharan’ny fanolanana. Nentin’ireo polisy namonjy hopitaly haingana izy. « Mampitandrina izahay fa misy mpitandro filaminana ny trangana tsy fandriampahalemana, toy izany koa ny rôrô sy ireo zava-mahadomelina. Tsy mpitandro filaminana ihany fa misy sivily mpandraharaha koa amin’ireny trafikana zava-mahadomelina ireny. Aok’izay fa ny zanatsika ihany no simba amin’ireny », hoy ny kaomisera Rafaliarivo Jules.
Sajo