Profesora Irène Rabenoro: vehivavy filohan’ny Akademia Malagasy voalohany

Anisan’ny mampiavaka ny profesora Irène Rabenoro ny maha manam-pahaizana mazoto miasa, tsara tohana ary mitsinjo ny tombontsoam-pirenena sy ny mpiara-belona. Araka ny nambarany, anisan’ny antoky ny fandrosoan’ny firenena ny fanajana ny teny sy ny fampivelarana izany.

Voafidy ho filoha hitantana ny Akademia Mala­gasy manomboka amin’ity taona 2024 ity hatramin’ny 2027, ny profesora Irène Rabenoro. Raha tsiahivina, ny 1 oktobra 2024 no nanatanterahin’ireo mpikambana feno eo anivon’ny rafitra ny fifidianana izay ho filohany, fifidianana izay nanaraka sy nanaja ny rafitry ny Akademia Mala­gasy. Ny profesora Irène Rabenoro indray, araka izany, no mandimby ny profesora François Rajaoson, izay nitantana ny Akademia Malagasy nanomboka ny taona 2021 hatramin’ny 2024.
Sambany izao no nisy vehivavy filohan’ny Akademia Malagasy hatramin’ny namoronana azy, ny taona 1862. Filohan’ity rafitra ity fahasivy izy ary Malagasy fahenina mpitantana. Efa mpikambana eo anivon’ny Akademia Ma­lagasy nandritra ny 32 taona ny profesora Irène Rabenoro. Ny taona 1993 izy no mpiara-miasa tamin’ny Akademia Malagasy. Ny taona 2004 no nanomboka mpikambana feno teo anivon’ity rafitra ity. Ani­san’ireo Malagasy manam-pahaizana niaro sy nikolokolo ny teny malagasy izy. Tamin’ ny taona 1992, nandritra ny velakevitra nokarakarain’ny Akademia momba ny “Teny, fitaovana ho an’ny fampandrosoana”, nanolotra taratasy mitondra ny lohateny “Mianara tsara ny teny malagasy hianarana tsara ny teny vahiny” ny profesora Irène Rabenoro. Izany dia taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’i Ful­gence Fanony, minisitry ny Fanabeazam-pirenena tamin’izany andro izany, hanonganana tanteraka ny teny ma­lagasy ary hamerenana ny teny frantsay ho teny enti-mampianatra tokana.
Ankoatra izay, anisan’ireo olobe sy Malagasy manam-pahaizana momba ny teny sy ny siansa mahaolona ihany koa izy. Andraikitra maro teo amin’izany sehatra izany, teto Madagasikara sy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, no efa niandraiketany.

Lin

Partager sur: