Sakafo andavanandro : ambany ny taham-pihinanana atody

Manodidina ny 20 isan’olona, isan-taona, eo ny taham-pihinan’ny Malagasy atody, raha toa ka maherin’ny 67 izany ao Afrika. «Tsy mahavantana ny Malagasy ny fihinanana atody isan’andro», hoy ny fanazavan’i Landy, mpiompy akoho eny Ana­lamahitsy. Lafo ny vidin’atody noho ny tsy fahampian’ny katsaka. Na izany, manomboka misehatra tsikelikely eo amin’ny fiompiana akoho ny Ma­lagasy saingy mila tosika izany hampiroboroboana ny fiompiana. Ilaina ny torohevitra avy amin’ireo teknisianina sy matihanina entina hanatsarana ny seha-pihariana, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Mifampiankina ary tsy afa-misaraka ny fambolena sy ny fiompiana. Mila tohana ny fambolena hampiroboroboana ny fiompiana.
Ankoatra izay, anisan’ny mamatsy atody ny 40% ny tsena eto an-drenivohitra ny tanànan’Antanetibe Maha­zaza. Tafakatra hatrany amin’ny 300 000 isan’andro ny vokatra avy any an-toerana. Toy ny fanao isan-taona, hotanterahina any an-toerana, manomboka ny 18 ka hatramin’ny 20 oktobra izao, ny tsenaben’ny atody (festival des œufs) andiany fahatelo. Lohahevitra amin’ity taona ity ny “tohana sy famokarana anatiny mba hampandrosoana ny kaominina sy ny firenena”. Natao izany hampiroboroboana ny toekaren’ny kaominina sy ny lalam-pihariana atody izay mbola malalaka. Hisy ny fanentanana sy lohabary an-dasy samihafa mandritra ny hetsika.

Henintsoa Hani

Partager sur: