SOMBIM-BAOVAO

Tafita any amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny
fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa, «XXL Top 20», ny ekipan’ny CEA Andranomanalina. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 20 no ho 13, ny ekipan’ny Stade SOE, ny alahady teo, tetsy amin’ ny Kianjan’ny Malacam Antanimena.

Hotontosaina any Maroc, ny volana novambra ho avy io, ny fifanintsanana afrikanina amin’ny taranja Moto, «MXoAN Motocross des Nationas africaines”. Araka ny fikarohana natao omaly, anisan’ireo firenena handray anjara amin’ity fifaninanana ity i Madagasikara.

Ny talata 22 oktobra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Olympique Lluis Companys Espagne, ny fifanandrinan’ny FC Barcelone, Espagne sy ny FC Bayern Munich, Allemagne. Raha tsiahivina ny fifanandrinan’ny roa tonta farany, ny taona 2022, lavon’ny bavaroa 3 no ho 0 ity klioba espaniola ity.

Hotanterahina any Paris, ny 28 oktobra ho avy izao, ny lanonana lehibe ho an’ireo mpilalao baolina kitra «Ballon d’Or France foot-ball». Anisan’ireo tsara toerana mety handrombaka izany i Bellingham, anglisy sy i Vinicus Jr, brezilianina. Samy milalao ao amin’ny Real Madrid Espagne moa izy mirahalahy ireto.

Partager sur: