TARATRY ny KANTO

“Ny tranon’ny velona”. Io indray ny lohahevitry ny fampirantiana manaraka, hatao ao amin’ny Mozean’ny saripika, eny Anjohy. Mbola eo am-panomana, fa ny 9 novambra vao hisokatra ho an’ny besinimaro izany. Fampirantiana hanehoana ireo taotrano malagasy isan-karazany, maneho ireo kanto sy fahaiza-manao samihafa ao anatin’izay trano fonenana izay izy ity.
Halefa ao amin’ny IFM Analakely ilay Opéra “Roméo et Juliette”. Ny 19 oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, no hanatanterahana izany. Ny Metropolitan Opera any New York no milalao azy, izay naverina mba hampahafantarana bebe kokoa ity tantaram-pitiavana anisan’ny nalaza indrindra maneran-tany ity. Voaravaka mozika miavaka izany, izay mifameno amin’ny tantara.
Hisy ny hetsika « Sokaf’hehy » tanterahina eny amin’ny CGM/ GZ Analakely, anio, tolakandro. Fampisehoana hatsikana misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ireo vao misandratra. Fotoana hifampizarana hafaliana sy fahaiza-manao eo amin’ny fianakaviamben’ny mpanao hatsikana malagasy izy ity.
Tanterahina eny amin’ny IFM Analakely, manomboka anio hatramin’ny 19 oktobra 2024, ny “Focus Fantasia”. Hetsika hanomezana sehatra ireo tantara foronina. Atrikasa ho an’ireo matihanina eo amin’ny fanoratana sy ho an’ireo vao misandratra eo amin’izany tontolo izany ary fampisehoana no handravaka ny hetsika.

Partager sur: