Toamasina : sarona ireo mpanapoka solika

Miverina indray ny solika mitapoka. Miisa 24 mianadahy ireo ahina ho nanapoka solika anjatony litatra. Maro ireo nametraka fitarainana tato anatin’ny volana vitsy fa simba ny fiara vokatry ny haratsian’ny solika. Fantatra aorian’ny fanamboarana ny fiara fa nandrotsahana solika mitapoka ny fiara na moto iray nisedra olana. Nametraka fitarainana ireo mpandraharaha niharan’ny fahasimban’ny fitaovana amina fiara vokatr’izany. Nanao be midina tao Toamasina ny zandary avy any an-dRenivohitra, nohamafisin’ ny zandary tao an-toerana. Raikitra avy hatrany ny fisavana trano tamin’ ireo efa nahazoana angom-baovao. Fantatra tamin’izany fa miisa 24 mianadahy ireo voasaringotra amin’ ity raharaha ity ka vehivavy ny efatra ary efa nahatratra anjatony litatra ny solika sy ny ranoka fampifangaroana amin’ izany, toy ny solitany, asidra, lasantsy. “Handamina an’ i Toamasina amin’ny zavatra tsy mety maro miseho eto no nanendren’ny fitondram-panjakana ahy ary tsy maintsy fongorina izany, teto no nahalalako izany Rôrô, Cocaïne, Héroïne izany, ny angom-baovao azoko nandritra izay fotoana fohy nahatongavako izay”, hoy ny kaomandim-paritanin’ny zandary, ny Jly Razafialison Cyr. Nohitsiny fa zary lasa vavahadin’ny zava-mahadomelina i Toamasina.

Synèse R.

Partager sur: