Tokely Justin : “Miantso ny hampanjakana fitoniana”

“Mandalo vanim-potoan’ny fifidianana indray ny firenena ankehitriny. Zava-dehibe ny hisian’ny safidim-bahoaka amin’izay hitondra ny tanànany. Koa manao antso avo hampanjakana ny fitoniana sy filaminana mba hampizotra izany antsakany sy andavany izahay eto amin’ny Anteni­mierampirenena.” Ankoatra ny fitanisana zava-bita, io ny anisan’ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, teny Tsim­bazaza, omaly nanomboka ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemanta handinihina ny tetibolam-panjakana 2025. Atao izay hampahalavorary ny fifidianana hampanjaka ny demokrasia, izay antoky ny fampandrosoana ny firenena.
Nitodika tany amin’ireo depiote izy: mifanandrify amin’ny fivoriana ny fifidianana. Misy amin’ireo depiote hidina ifotony hampandany izay kandidà tohanany. Nefa tsy azo avela ny asa ao amin’ny lapa. Koa manainga ny fahaiza-mandanjalanja sy mandamina ny fotoana izy. Tsy handeferana ny asa fanaovan-dalàna, fa raharahan’ny vahoaka malagasy sy ny firenena. Hoezahina hatrany izy ireo hanatsara izay tokony hohatsaraina amin’ny andrimpanjakana. Mba hahazoan’ireo depiote manatanteraka ny asany izany.
“Ho an’ny vahoaka malagasy, raha manara-baovao isika ka mandinika amin’ny saina tony: hahatsapa fa miainga sy miroso tanteraka amin’izao fotoana izao ny lafiny fampandrosoana eto Ma­da­gasikara”, hoy izy. Eo ny sehatry ny fizahantany, fampiroboroboana fotodrafitrasa, fanamboarana lalana vaovao sy fikojakojana, fambolena sy fiompiana ary jono, ny indositria, indrindra ny diplaomasia.
Hiatrika fivoriana avy hatrany ny birao maharitra anio. Eo koa ny fivorian’ny filoha, ary ny fivoriambe hanapahana ny fandaharam-potoana.

R. Nd.

Partager sur: