Trano Sary Ambohidahy : mitohy ny fampirantiana ny tantara

15 oktobra 1896. Datin’ny nitifirana ny jeneraly Rainandriamampandry sy ny Printsy Ratsimamanga teny Antaninarenina io. Tsiahivina isan-taona ity fotoana ity, satria anisan’ny nanamarika ny tantaran’i Madagasikara. Nisy ny fampirantiana izay natao teny amin’ny Rovan’Antananarivo, omaly. Hitohy manomboka anio, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy izany, ka haharitra elaela kokoa mba hahafahan’ny rehetra mamantatra ny tantara, voarakitra anatin’ireo sary sy soratra mitoetra.
Novoizina hatrany fa mpitari-tolona ka anisan’ny nitarika ny fikomian’ny Menalamba izy mirahalahy ireto. Samy nanana ny maha izy azy tamin’izany, ary nijoro ho tia tanindrazana tokoa. Mpampianatra, pasitera, governoran’i Toamasina, minisitry ny Atitany fa indrindra jeneraly mpitari-tafika nikoizana Rainandriamampandry. Nanao izay ho afany tamin’ny fanoherana ny frantsay nanani-bohitra teto izy. Dadatoan’ny mpanjakavavy Ranavalona III kosa ny printsy Ratsimamanga. Avara-pianarana ary nitana andraikitra ambony koa izy. Vantany vao voazanaka i Madagasikara, nosamborina izy mirahalahy ireto. Nasain’ny jeneraly Galliéni notifirina, mba ho anatra sy fampitahorana ireo tia tanindrazana maherifo tamin’izany.

Zo ny Aina

Partager sur: