Mpizahatany teratany vahiny mivady niharan-doza rehefa nikasa hitsidika ny Tsingy tany Belo Tsiribihina, afakomaly. Nandeha mafy ny fiara nitondra azy mivady ka tra-doza. Naratra tao amin’ny lamosiny ilay vehivavy Italiana. Tsy nisy aina nafoy.
Olona iray maty nodoran’ny dahalo velona tao amin’ny kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe, ny alatsinainy 14 oktobra teo. Olona roa niaraka nalain’ireo olon-dratsy an-keriny ka notakiany vola ny fianakavian’izy ireo. Tsy nahaloa ny vola ny havan’ny lasibatra ka nodoran’ireo tsy mataho-tody ireo olona roa. Manaraka fitsaboana ny iray izay voa mafy.