VAOVAO TAMBATRA

Maherin’ny 50 taonina ny lohamenaka Ylang Ylang naondran’i Madagasikara ny taona 2023. Mbola ambanin’ny 125 taonina izay naondrana ny taona 2019 sy ireo 600 taonina naondrana tany aloha izany. Niantraika betsaka teo amin’ny seha-pihariana ny krizin’ny Covid-19 sy ny lalàna vaovao momba ny tontolo iainana.

Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy tantsaha omaly 15 oktobra. Tany Talata Volonondry no nankalazana izany , ka lohahevitra noraisina ny « Vehivavy mpamokatra, fanoitra ho an’ny fampandrosoana maharitra ». Nisy ny fanehoana fandrahoan-tsakafo ara-pahasalamana, fampitomboana ny vokatra mangahazo, fizarana fitaovam-pamokarana, sns.

Hasiam-panamboarana ny ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena voalohany, mialoha ny fotoam- pahavaratra. Anisan’izany ny any Antanetimboahangy Analavory, Ampaisokely Miarinarivo, Ambatofolaka, Amboalefoka, sns. Hanao ny asa ny orinasa FEFE sy ny EHS, famatsiam-bola avy amin’ny Fidirambolam-panjakana anatiny (RPI).

Tanterahina ny 21-22-23 novambra, ao amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny Tsenaben’ny fizahantany andiany fahavalo. Tanjona ny hampiroboroboana ny fizahantany sy hampahafantarana ny firenena ary ireo mpisehatra samihafa. Marihina fa miisa 7 653 ireo tonga nitsidika ny hetsika tamin’ny taon-dasa, teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina.

Partager sur: