Nahitana gony feno taolam-paty tao Ambatolahy fokontany Antoetra distrikan’ Ambositra, omaly tolakandro. Mpianatra avy nirava nianatra no nampandre ireo zandary mpanao fisafoana momba ny fisian’ireto taolam-paty marobe tanaty gony ireto. Nidina ifotony niaraka tamin’ny polisim-bohitra sy ny sefo fokontany niaraka tamin’ny fokonolona vitsivitsy ny zandary. Voamarina tokoa ny fisian’ireo gony feno taolam-paty. Nentina niakatra namonjy ny biraon’ny zana-tobim-paritra avy hatrany hanaovana fizahana ireto taolana ireto. Tao anatin’izany no nahitana fa taolan-dava miisa 122 no hita tao anatin’ireo gony ireo. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny zandary, nomena ny sefo fokontany Tetezandrotra sy ireo fianakaviana tompon’ny fasana vaky ireo taolana marobe ireo. Fantatra fa nitrangana vaky fasana tao amina fasam-pianakaviana iray tao an-toerana. Voaporofo nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary ireto taolana ireto tokoa no nalain’ireo olon-dratsy tamin’io fasana io. Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy ahina ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity.
J.C