“Beatbox Battle Madagascar 2024” : efa fantatra ireo hiatrika ny famaranana

Nampahafantarin’ny mpikarakara ny “Beatbox Battle Madagascar 2024” omaly, teo amin’ny pejy ofisialiny ireo mpifaninana hiatrika ny dingana famaranana. Hetsika ho tanterahina ny 2 novambra 2024 eny amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely. “Mafy ary efa miakatra ny lentan’ny fifaninanana. Tena nanahirana ny nifantina ireo hiatrika ny dingan’ny famaranana noho ny fananan’ireo mpandray anjara lenta ambony dia ambony tokoa”, hoy i Do Be, mpikarakara ny “Beatbox Battle Madagascar”.
Mpifaninana miisa valo ho an’ny sokajy “Solo” ahitana an’i Leo, Toky, Ratom, Kelly West, Tsiky pily, Xender, Jou-D ary Miguel no tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana. Tarika miisa efatra ahitana ny Jutsu, CTS Beatbox, DJ ary 50NF kosa no tafakatra amin’izany dingana izany ho an’ny sokajy “Tag Team”. Raha tsiahivina, Kelly West no tompondaka farany ho an’ny “Beatbox Battle Madagascar”, tamin’ny taona 2023, teo amin’ny sokajy “Solo” izay mbola mandray anjara amin’ity andiany fahenina ity.
Araka ny nambaran’ny mpikaraka, hiavaka ny seho mandritra ity andiany fahenina ity. Antenaina ny hisian’ny seho sy ny fifaninanana tsara kalitao noho ny lentan’ny mpifaninana izay efa ambony noho ireo andiany teo aloha.

Lin

Partager sur: