Bonarabe 67ha : tratra ireo andian-jiolahy mpanendaka

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha, omaly, ireo andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny halatra sy ny fanendahana amin’iny faritra iny. Lehilahy iray no tonga nanao fitarainana tao amin’ny biraon’ny polisy (CSP7) 67 ha. Nitaraina fa niharan’ny halatra nataon’ireo olon-dratsy nitondra sabatra teo Bonarabe 67ha Avaratra Atsinanana. Lasan’ireo mpanao ratsy tamin’izany ny vola 6 hetsy Ar teny aminy. Nidina haingana teny amin’io toerana voalaza fa misy ireo mpanao ratsy ny polisy ka voamarina tokoa izany. Tratra teo amin’ny lalambe FTAII ny jiolahy iray. Nandritra ny famotorana savaranonando no nilazany fa izy sy ireo namany tokoa no nanendaka teo Bonarabe. Niaiky ny heloka nataony rahateo izy. Niainga avy amin’ny fanadihadiana azy no nahafahana nisamboratra ireo namany. Nilaza ireto jiolahy ireo fa hoe maro ny asa ratsy efa vitan’izy ireo teny 67ha sy ny manodidina iny. Voalaza fa ao anatina fikambanan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika rahateo izy ireo.

J.C

Partager sur: