CHU Anosiala: nitombo ny tahan’ny olona tapaka lalandra

Nisongadina ny fiakaran’ny tahan’ny olona tratran’ny fahatapahana lalandra na AVC tamin’ny volana septambra, tao amin’ny CHU Ano­siala, araka voalazan’ny tompondraikitra . Mihamaro ihany koa ny tanora tratry ny aretina. Tsy tokony hovarimbariana na mangataka andro lava, araka izany, ireo manana tosidra avo. Ilaina ny fanatonana do­kotera sy manaraka ny toromarika ara-pahasalamana rehetra isorohana ny fahatapahan’ny lalandra.

Mila manara-maso akaiky ny tosidra hahafantarana ny toe-tena. Mihinana fanafody ara-dalàna izay tsy tokony ho tapahana, araka ny toromariky ny dokotera. Manao fanatanjahantena mitohy, tsy mafy loatra fa izay zakan’ny vatana hanampy amin’ny fikorianan’ny ra.
“Na ireo tanora aza mila mandanjalanja ny sakafo sy mampiasa vatana, mifehy ny rarintsaina, mahay maka aina rehefa vizana. Mila mihinam-panafody rehefa izay no tsy maintsy hatao handaminana ny tosidra mba tsy hahatonga any amin’ny fahatapahan’ny lalandra izay miteraka kilema mety ho mandra-maty na mety hahafaty tampoka mihitsy aza”, hoy ny mpitsabo.

Nisongadina kosa ny tahan’ny olona voan’ny aretina tazomoka teny amin’ny CHU Anosiala raha ny volana septambra teo, araka ny tatitra hatrany.

Tatiana A

Partager sur: