“Tena miara-miasa akaiky i Rwanda sy i Madagasikara, izay firenena roa tena manana fifandraisana mipetraka ary mbola handalina misimisy izany fiaraha-miasa izany eo amin’ny roa tonta”. Io no nambaran’ny ambasadaoron’i Rwanda, Sem Emmanuel Hategeka, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapam-panjakana, Iavoloha, omaly, taorian’ny fanolorany ny taratasy fanendrena azy tamin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry. Ao anatin’ny sehatra iaraha-miasa ny fampivoarana ny maha olona, ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny fambolena, ny fahaiza-mitantana. Manantena ny fiaraha-miasa akaiky sy misimisy kokoa hatrany amin’ireo andrimpanjakana misy eto Madagasikara izy. Mba hahazoana mampivelatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany.
Nanolotra ny taratasy fanendrena azy koa ny ambasadaoron’i Italie eto Madagasikara ary honina atsy Prétoria, Afrika Atsimo, Sem Alberto Vecchi. Nambarany fa maro ny hahazoana miara-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Italie, izay mifantoka amin’ny fambolena, ny fampiofanana amin’ny asa, ny fizahantany…
R. Nd.