Fampivoarana ny Antenimiera: dinihina any Geneve ny momba ny teknolojia

Hatsaraina hatrany ny asan’ny Antenimiera. Mana­trika ny fivorian’ny Union Inter­parlementaire andiany faha-149, any Genève ny solontenan’ny Antenimierampi­rene­na. Mitarika ny delegasiona ny kestora faharoa, Andrianasolo Nadine, sy ny solombavambahoaka mpampakan-teny lefitra, Raholijaona Harson, ary ny depiote Rakotomalala Mia­rintsoa. Miaraka amin’ny tale misahana ny fanaovan-dalàna eny anivon’ny Antenimieram­pirenena izy ireo.
Maromaro ny lohahevitra dinihana mandritra ny fihaonana. Anisan’izany ny momba ny siansa sy ny teknolojia. Nan­dray anjara fitenenana tamin’ny adihevitra ireo solontena avy aty Madagasikara. Nan­dritra izany no nanazavan’izy ireo ny maha zava-dehibe entin’ny siansa sy ny teknolojia ho an’ny hoavy milamina sy maharitra. Tafiditra koa ho amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fampivoarana ny asan’ny Antenimieram­pire­nena.

Synèse R.

Partager sur: