Fanabeazana sy kolontsaina : mamolavola olom-banona sy vonona

Mifameno sy mifampiankina ny kolontsaina sy ny fanabeazana, araka ny fanazana nentin’Andrianamelasoa Fahombia­zana, mpanabe sy mpitarika tanora. “Nohariana hanana vatana saina fanahy ny olombelona. Tombony kosa ny fananantsika fivelanran-tsaina bebe kokoa. Ny fanabeazana dia manondro ireo dingana arahina hahazoan’ny olona fahalalana, fahaiza-manao, soatoavina sy fahaiza-miaina. Sehatra famolavolana olona hahaleo tena sy ho vanona, ilay maha olona manontolo mihitsy”, hoy izy.
“Ankoatra ny rafi-pampianarana ofisialy tsotra dia misy ny fampianarana fameno. Ilay rafi-piarahamonina izay mamolavola ny fanabeazana. Anisan’izany ny fikambanana, ny ankohonana, ny orinasa, ny mpiantsehatra maro samihafa izay mamolavola ny rafi-panabeazana daholo. Mpanabe, mpampianatra no mpandray anjara. Ny fiarahamonina mihitsy no mpandray anjara mamolavola”, hoy hatrany ity mpitarika tanora ity.
“Fitambarana fahalalana, fomba fiaina, fanao, fisaina, fahatsapana, finoana, eo amin’ny fiarahamonina iray. Ireo rehetra ireo dia ny fahalalana ny rafitra ifanekena sy ifampitondran’ny fiarahamonina izay antsoina hoe kolontsaina. Izay no mahatonga ny fifamenoana eo amin’ny fanabeazana sy ny kolontsaina. Ny fanabezazana dia fitaovana fampitana kolontsaina, ny kolontsaina kosa mpibaiko dia mandrafitra ny endri-panabeazana.”, hoy izy namarana ny fanehoan-keviny.*

Tatiana A

Partager sur: