Fisoratana anaty lisi-pifidianana: manoro ireo dingana ahazoana “ordonnance” ny Ceni

Nanome toromarika amin’ ireo dingana samihafa atao amin’ny fangatahana ny didim-pitsarana “Ordonnance” ny eo anivon’ny Ceni. Nam­baran’ny mpampakan-teny, i Soava Andriamarotafika, fa maro ireo manontany na mangata-panazavana momba izany. Nanteriny fa tsy manavaka ary tsy mametraka fepetra ho an’ny olom-pirenena izany mba hahafahana misoratra anaty lisi-pifidianana ho an’ireo tsy tafiditra teo aloha. “Voalazan’ny lalana fa azo atao izany. Ilana fandaminana asa anefa ny fanatanterahana izany mba tsy hifanitsaka amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana, tanterahina isaky 1 desambra ary nofaranana ny 30 desambra izany fahafahana mangataka didim-pitsarana amin’ity dingana iray ity”, hoy izy. Notsindriny anefa fa masi-mandidy amin’ny fanapahan-kevitra raisiny ny fitsarana amin’ny maha rafitra mahaleo tena azy amin’ny fe-potoana sy ireo sokajina olona hisitraka izany, araka ny nambarany.
Na izany aza, nomarihin’ny eo anivon’ny Ceni ary nanentanan’izy ireo ny rehetra mba hisoratra anarana sy hangataka izany “Ordonnance” izany. Voafetra hatramin’ny 30 novambra izao ny fetra farany fisoratana anarana sy ny fampidirana izany amin’ny lisi-pifidianana. Niantsoan’ny mpampakan-teny ireo mihevitra ny tenany ho manan-jo hifidy mba hanatanteraka izany.

Synèse R.

Partager sur: