INDRAY MIJERY

4 mianadahy ireo Fulbright English Teaching Assistants (Etas) tonga eto Madagasikara. Manampy ireo tanora amerikanina vao nahavita ny fianarany tamin’ny ambaratonga ambony na koa ireo vao miditra amin’ny sehatry ny asa fampianarana ny Etas. Mandritra ny sivy volana no hanatontosany izany amin’ny sekoly sy oniversite samihafa maneran-tany. Miara-miasa amin’ireo mpampianatra sy mpianatra ny teny anglisy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina any amin’ny lycée… eto an-toerana izy ireo.
Maimaimpoana ny fanaovana Mammographie na ny fitiliana ny homamiadan’ny nono, mandritra ity volana oktobra ity, eny amin’ny CHU Andohatapenaka sy ny centre Kintana Ambatomena ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Toraka izany koa ny ao amin’ny CHU Andrainjato ho an’ny any Fianarantsoa.
Tsy ny vehivavy ihany no mety ho lasibatry ny famarinana olombelona, araka ny fanamarihana nataon’ny biraom-pirenena miady amin’ny famarinana olona. Mety iharan’izany koa ny lehilahy amin’ny endriny samihafa. Maro ireo efa lasibatra vokatry ny tsy fifehezana ny fampiasana ny tambazotran-tserasera.
Mikarakara fisoratam-panambadiana faobe ny kaominina ambonivohitr’Ambohidratrimo, ny 22 novambra izao. Misokatra ho an’ireo olona maherin’ny 18 taona izany. Tanjona ny hampanara-dalàna ny tokantrano. Amin’ny 6 novambra izao no fara-fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo maniry ny hiditra amin’ny tokantrano ara-dalàna.

Partager sur: