Karting : hiditra amin’ny dingana fahefatra

Hotanterahina ny alahady 20 oktobra ho avy izao, eny amin’ny “circuit international” Imerintsiatosika ny dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny karting «4è Grand Prix de Mada 2024». Fifaninanana, karakarain’ny klioba Serana Racing Kart. Misokatra ho an’ireo mpifaninana rehetra manana ny kara-pilalaovana karting FSAM, voamarin’ny federasiona sy ireo mpanamory vahiny izany. Misy sokajy telo ny fifaninanana : ireo efa kalaza «Elite», mihoatra ny 14 taona. Ny «junior», 12 taona mihoatra ary ny «minime», 9 taona mihoatra.
Raha ny fizotry ny fifaninanana, hisy ny andrana fakana fe-potoana, tanterahin’ny mpanamory rehetra ao anatin’ny fe-potoana 10 mn. Io no mamaritra ny filaharan’ireo mpifaninana, amin’ny dingana voalohany. Mihodina im-7 amin’ny halavirana 1300 m ny “minime” raha im-10 ny “junior” sy ny “elite” eo amin’ ny dingana voalohany sy ny famaranana mialoha ary fihodi­nana in-11 sy in-13 kosa izay amin’ny famaranana lehibe.

Torcelin

Partager sur: