Lalatiana : “Mozika mivelatra, mozika miaina no hataoko…”

Eto an-tanindrazana i Lalatiana. Hiatrika ny seho goavana izay hataony ny alahady izao izy. Hitondra endri-tseho vaovao raha ny nambarany, mba ho tsara kokoa noho ny teo aloha.

“Tsy mety amiko ilay manao fampisehoana matetika. Indrindra fa ny fampisehoana goavana toy izao, izay tokony misy zava-baovao homanina ho an’ny mpankafy. Mozika mivelatra, mozika miaina no hataoko ka misy handrasan’ny olona hatrany amiko fa tsy hoe ny eo ihany no mihodina eo”. Anisan’ny nambaran’i Lala­tiana, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny Tanàna Zoari Ilafy io. Nohamafisiny nandritra izany koa fa mivelatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanakanto mpitendry mpanaraka azy izy, ary 16 mianadahy izy ireo no indray miketrika ilay seho goavana amin’izao fotoana izao.
Ao anatin’ny famerenana tanteraka, araka izany, i Lalatiana sy ireto mpitendry hanaraka azy ireto. Hanome endri-tseho vaovao no tanjona, amin’ilay fampisehoana izay hotontosaina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 20 oktobra ho avy izao. Ho feno dia feno ny mozika renesin’ny sofina, ary mpanakanto tanora efa mpiara-dalana amin’i Lalatiana rehefa manao seho eto an-tanindrazana no hitrotro ny fampisehoana. Njaka (vata maroafitsoka), Solofo Bota (angorodao), Joro (gitara), Josia (amponga maroanaka), Hents (gitara beso), Miaro Tanjona (zavamaneno ravaka). Ry Tsanta , Miantsa, Koloina ary i Andry Mika kosa no hisahana ny zavamaneno tsofina. Ry Antsa, Andy, ary Stefa no eo amin’ny feo lafika. Tonga manokana hifampizara mozika amin’izy ireo i Rija Randrianavonisoa, izay mpitendry gitara mpanaraka an’i Lalatiana any ivelany. Eo ihany koa i Haingo Rajaofara, izay hanao ny fampiaraham-peo rehetra amin’i Lalatiana.
“Izahay dia miezaka hatrany hanatsara ny efa natao hatramin’izay. Tsy dia tianay loatra ilay hoe hatao mitovy amin’ny any ivelany, fa aleonay kokoa hoe vitan’ny Malagasy, saingy tsara sy misy kalitao”, hoy Randria­mam­pianina Hery, mpitarika ny ekipan’ny mi’Ritsoka Pro­duction, izay mpikarakara ny seho. Tsiahivina fa efa hatramin’ny taona 2012, fotoana niverenan’i Lalatiana an-tsehatra teto Madagasikara in­dray, no niara-dalana tamin’ny mi’Ritsoka Production izy. Efa nahatratra 8 eo ny seho goavana niaraha-nanatontosa nandritra izay.

Zo ny Aina

Partager sur: