Tanora malagasy tokana tafita hiatrika ny famaranana momba ny Microsoft Excel Collegiate Challenge (MECC) hatao any Las Vegas, ny fiandohan’ny volana desambra 2024 ho avy izao, i Cédric Morgan Rasolofo. Nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex énergies izy amin’izao fiatrehany ity fifaninanana ity.
«Ny vondrona Filatex amin’ny alalan’ny Filatex énergies dia mandray anjara feno amin’ny fanohanana ny tanora izay hita fa vonona hisandratra eo amin’ny fiainana. Mila tohana rahateo ny tanora manam-pahaizana toa an’i Cédric Morgan Rasolofo », hoy ny tale jeneralin’ny vondrona Filatex Tahina Ramaromandray. Nambarany fa mamiratra ary azo lazaina fa tena sangany tokoa ny tanora malagasy indrindra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Tanora malagasy tokana tafita hiatrika ny famaranana momba ny MECC hatao any Las Vegas ny volana desambra 2024 ho avy izao i Cédric Morgan Rasolofo. Ny Microsoft Excel Collegiate Challenge dia fifaninanana iraisam-pirenena natokana ho an’ireo tanora mpianatra manam-pahaizana momba ny fikirakirana ny Excel sy ny manodidina izany. Fifaninanana amin’ny alalan’ny kisarisary mametraka vola ao anatina sehatrasa iray mamaha olana ao anatin’ny Microsoft Excel. Sehatr’ asa entina hanamorana ny asan’ny olona no tena misongadina ao anatin’ity fifaninanana ity, araka nambaran’i Cédric Morgan Rasolofo. « Rehefa miasa haingana, azo heverina fa mandroso haingana toy izany koa ny fandrosoana », hoy izy. Misy karazany roa ity fifaninanana ity : natokana ho an’ireo mpianatra sy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Marihina fa mpianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga ambony Inscae i Cédric Morgan Rasolofo. Marobe ireo mpifaninana taminy ka anisan’izany ireo mpianatra avy amin’ny oniversite any Etazonia, Aostralia ary Afrika Atsimo. « Tsy nitsanga-menatra isika fa azo lazaina fa tsy mena-mitaha amin’ireo mpianatra manam-pahaizana any ivelany », araka ny nambarany.
Jean Claude